arpm_logo

Autorité de Régulation des Marchés Publics


ARMP

Tsenambaro-panjakana : Nampahafantarina ireo tompon’andraikitra ambony ny famahana ireo disadisa

       Anisan’ny nisongadina nandritra ny atrikasa nasionaly ho an'ireo Tale Jeneraly (DG) sy Tale Mpanatanteraka (DE) tao amin'ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria (CCI) eto Madagasikara izay notontosaina ny Alakamisy 03 septambra 2026 lasa teo ny fandraisan’anjaran’ny Komitin’ny Fandravonana Disadisa (CRD) sy ny Sampana Famoahana Lalàna (Section Règlementation) eo anivon’ny Manamahefa Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana (ARMP).
       Nampahafantarina ireo mpandray anjara tamin’io atrikasa io ny anjara toerana sy ny fomba fiasan’ny CRD indrindra amin’ny fiatrehana sy fandravonana ireo disadisa mety hipoitra eo amin’ny sehatry ny tsenambaro-panjakana. Ny lafiny ara-dalàna sy ara-teknika mifandraika amin’ny tsenambaro-panjakana kosa no novoaboasan’ny Sampana Famoahana Lalàna. Anisan’izany ny fitsidihan-toerana, ny antoky ny tolo-bidy, ny fomba fanendrena ireo tompon’andraikitra amin’ny tsenambaro-panjakana (PRMP), ….
       Natao ho sehatra fifanakalozana sy fampahafantarana ho an’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny CCI ny atrikasa mba hanamafisana ny fahatakarana ireo rafitra sy fepetra mifehy ny tsenambaro-panjakana ary hampiroboroboana ny fampiasana ireo fitaovana ara-dalàna mikasika ny famahana ny disadisa eo amin’io sehatra io. .


Copyright©2022 Équipe de la DSI ARMP.